Iray volan’ny teny malagasy

« Mbola manana zava-tsoa ve ny Malagasy »

Ahitsio ny diso

Ho fanandratana ny teny dia tsy maintsy misy ny fitsipika ekena sy arahina mahatonga azy hanara-penitra. Adidy sy andraikitry ny Foibe momba ny Teny an’ny Akademia Malagasy indrindra izany.

 

Tsara mihitsy ny ahafantarantsika ny fomba fanoratra satria amin’ny ankapobeny dia mbola betsaka no mandiso. Koa dieny izao àry ahitsio ny diso ka fantaro sy tadidio fa

Lafiny fa tsy lafin’ny

Aza hadinoina fa tsy aza adino

Antoky ny fa tsy antokin’ny

Momba ny fa tsy momban’ ny

Momba izany fa tsy momban’izany

Mialoha ny fa tsy mialohan’ny

Ho an’ny fa tsy hoan’ny

Mihitsy fa tsy mihintsy

Araka ny fa tsy araky ny

Tahaka ny fa tsy tahaky ny

Noho ny fa tsy nohon’ny

 

Ny fomba fanononana sy ny fomba fanoratana

Misy teny vitsivitsy tsy mitovy mihitsy ny fanononana sy fanoratana azy

Ohatra :

Aoka izany fa tsy aok’izany

Aoka izay fa tsy aok’izay

Araka izany fa tsy arak’izany

Araka izay fa tsy arak’izay

Tahaka izany fa tsy tahak’izany

Tahaka izay fa tsy tahak’izay

Ankoatra izany fa tsy ankoatr’izany

Ankoatra izay fa tsy ankoatr’izay

Ohatra izany fa tsy ohatr’izany

Ny anaram-bolana sy anaran’ny andro dia manana ny fanoratana sy fanononana azy isika ka tokony hiombonantsika :
Janvier = Janoary fa tsy Janvie
Fevrier = Febroary fa tsy Fevrie
Mars = Marsa fa tsy Martsa
Avril = Avrily fa tsy Aprily
Mai = Mey fa tsy May
Juin = Jona
Juillet = Jolay
Aôut = Aogositra
Septembre = Septambra
Octobre = Oktobra
Novembre = Novambra
Décembre = Desambra

Ny anaran’ny andro :
Alatsinainy fa tsy latsinainy
Talata fa tsy atalata
Alarobia fa tsy larobia
Alakamisy
Zoma fa tsy azoma
Sabotsy fa tsy asabotsy
Alahady

Anisan’ny teny mbola be mpandiso koa ny hoe “afaka “ sy ny hoe “azo “
« afaka » : tsy fampiasa miaraka amin’ny matoanteny aman-tsirinteny x-…–ana; a–, –ina, –ana
fa tsy maintsy miaraka amin’ny matoanteny aman-tovona m–, mi–, ma–, man–
Diso, ohatra, ny hoe :
– Afaka lazaiko aminy izany.
fa ny fiteny dia hoe :
– Afaka milaza izany aminy aho.
« azo » : tsy fampiasa miaraka amin’ny matoanteny aman-tovona m-, mi-, ma-, man- fa tsy maintsy miaraka amin’ny matoanteny aman-tsirinteny
x–…–ana; a–, –ina, –ana
Diso, ohatra, ny hoe : Azo manasa lamba eto ianao.
fa ny marina dia hoe : Azo anasanao lamba eto.
Raha atao amin’ny ho avy kosa ny fehezan-teny dia mipetraka eo anoloan’ny mpanampy

matoanteny « azo » ny marika filazam–potoana « ho avy » « ho ». Ohatra
– Azo andehanana ny lalana ? Ho azo handehanana io rahampitso
– Azo naroso omaly ny raharaha ? Ho azo aroso rahampitso ny raharaha
– Azo tapahina ve ny mofo ? Ho azo tapahina ve ny mofo ?
Fanamarihana
Rehefa milaza fandavana dia izay voalaza teo ambony ihany no arahina
Ohatra : Tsy azo naleha, tsy azo aleha, tsy ho azo aleha
tsy azo nipetrahana, tsy azo ipetrahana, tsy ho azo ipetrahana
tsy azo nivarotana, tsy azo ivarotana, tsy ho azo ivarotana
tsy azo notapahina, tsy azo tapahina, tsy ho azo tapahina

Ny hoe “ fa … kosa “ koa dia be mpandiso mihitsy.
Tsy fiteny ny hoe : « Haintsika ny mitsikera fa kosa ny mandini-tena tsy ataontsika »
ny fiteny àry dia hoe : Haintsika ny mitsikera fa ny mandini-tena kosa tsy ataontsika

 

Ny fanoratra ny ”ana“ manomboka ny teny

1) Atambatra amin’ny teny aoriany ny “ an(a) dia lasa “an /am“manomboka ny teny

Ohatra :

1.1) andavanandro (sady tsy manambara toerana no tsy azo foanana)

1.2) Nandray antendrony ny hevitra naposaka teo izy ka izany no nampifanolana anay (milaza hevitra ankolaka, na sarinteny)

1.3) Ny ampahatelon’ny fotsimbary tamin’ny gony dia very avokoa (milaza fatra)

 

2) Ankoatra izay dia asiana tsipi-panohizana

Ohatra :

Atao any an-tsekoly ny fifaninanana

Tsy an-tendro molotra fotsiny ny heviny fa tena avy ao am-po

Nekeny am-pahatsorana ny fangatahantsika

Efa am-bolana maro izao no tsy nihaona izy mianaka

Vola an-tapitrisa maro no lasa any

Eo am-pandrasana no ahitana ny atiny

Ny fanakambanan-teny

Mihatra ny fanakambanan-teny raha toa ka misy teny roa na mihoatra avy amina fototeny roa na mihoatra ampiasaina mifanarakaraka ka miafara amin’ny « –ka », « –tra », « -na » ny teny voalohany, ary manomboka amin’ny renisoratra ny teny faharoa

Vokatry izay fanakambanan-teny izay dia milatsaka ny « –ka », « -tra », « -na » ary soloina tsipi-panohizana

Ohatra : satroka + zaza = satro-jaza

Taratra + masoandro = tara-masoandro

Olona + mody = olo-mody

Raha manomboka amin’ny zanatsoratra kosa ny teny faharoa dia ny « a » amin’ny « -ka » « -tra » « -na » no milatsaka ary soloina “faingo mihantona“ raha tompon’ny teny voalohany ny teny faharoa

Toy izao no fisehon’izany fitsipika fototra izany :

Ampiasaina ny tsipi-panohizana

i) – Raha fototeny mampiasa mpampiankina “-na“ ny teny voalohany (T1) ka manomboka amin’ny renisoratra ny teny faharoa (T2) sady manambara hevitra ara-bakiteny ny sampanteny azo avy amin’izany, dia ny “–a“ amin’ny “–na“ no milatsaka

Ohatra : sokajina (T1) taona (T2) dia soratana hoe sokajin-taona

tonona (T1) taona (T2)dia soratana hoe tonon-taona

tataona (T1) + fahavoazana(T2) dia soratana hoe tataom-pahavoazana

ii) – Raha misy tsirinteny ao amin’ny teny voalohany(T1) sy/na ao amin’ny teny faharoa(T2) ka manomboka amin’ny renifeo ny teny faharoa

Ohatra : fototra (T1) + fahavanonana(T2) dia soratana hoe foto-pahavanonana

Fampandehanana (T1) + raharaha (T2)dia soratana hoe fampandehanan-draharaha

Fanamarihana : Raha tsy ara-bakiteny fa fanitaran-kevitra kosa no ambaran’ny sampanteny azo avy amin’izany dia akambana ny fanoratra azy

Ohatra : kolona + saina = kolontsaina

herina + fanahy = herimpanahy

Ampiasaina ny faingo mihantona

 

i) Raha tompon’ny teny voalohany (T1) ny teny faharoa (T2) ka miafara amin’ny « -ka », « -tra », « -na » ny teny voalohany ary manomboka amin’ny zanatsoratra ny teny faharoa, milatsaka ny « -a » amin’ny « -ka », « -tra », « -na » ary soloina faingo mihantona

Ohatra : zanaka (T1) + adala (T2) = zanak’adala

ii) Raha mpamaritra sy tsy tompon’ny teny voalohany (T1) kosa ny teny faharoa (T2) dia soratana mifanarakaraka fotsiny

Ohatra : zanaka (T1) + adala (T2) = zanaka adala (ny zanaka eto no ambara fa adala)

iii) Milaza mpanao ny asa ny teny fameno

Ohatra : tatatra afak’ankizy io

Rafitra voatr’olombelona ny fefiloha

 

iv) Matoanteny iharana ny teny voalohany

Ohatra : nalain’olona ny anjara raharahany

novonjen’olona tamin’ny fahantrany izy

Misy teny mitovy fanonona nefa samy hafa hevitra dia :

Misy tsipi-panohizana na faingo mihantona raha manambara ampahany

Ohatra: Ray aman-dreny “le père et la mère”

Manam-boninahitra “honorable”

Tanin-drazana”terre des ancêtres”

Fiaraha-monina “cohabitation”

Mitambatra raha manambara manontolo sy /na sarinteny

Ohatra: Raiamandreny “parents” (zokiolona)

Manamboninahitra “grade”

Tanindrazana “patrie”

Fiarahamonina “société”

 

 

 

Comments are closed.