FAMPIRANTIANA

Ho fanamarihana ny faha-34 nanaovana fikarohana i VERENAKO Blaise Richard na i Monsieur Carbone dia hisy ny fampirantiana ireo voka-pikarohana vitany  sy  velakevitra arahina adihevitra, izay hatao ao amin’ny Tahala Rarihasina Analakely, ny Talata 24 Mey 2016, amin’ny 8 ora maraina hatramin’ny 5 ora hariva.

Fandaharana…


famaranana4

Andro iraisam-pirenena momba ny Tenim-pirenena Ibeazana 2016

Ny lohahevitra amin’izany dia: “Ny Ohabolana sy ny Fomba amam-pitenenana avy any amin’ny faritra rehetra”
ary ny tanjona dia: “Ny Fandraketana angona ohabolana sy fombam-pitenenana vaovao na tranainy nefa tsy fampiasan’ny rehetra”
Lahadinika:
-Atoa Rahaingoson Henri (Filoha lefitra Sokajy I Haikanto sy Hailaza): Ny fahasamihafan’ny ohabolana sy ny fomba amam-pitenenana
Rtoa Esther Randriamamonjy ( Mpikambana mahefa-Akademia Malagasy): Mampiray volo ny Firenena ireo ohabolana momba ny vary
-Rtoa Rakotomavo Tsikimilamina (Solotenan’ny Ministeran’ny Kolontsaina sy ny Asatanana): Ny ohabolana Malagasy Harentsaina manabe
-Atoa Andrianasolo Benoît (Solotenan’ny Foibe momba ny Teny an’ny Akademia Malagasy): Ny rohin’ohabolana Malagasy

Araho ato ny Hafatry Ramatoa Irina Bakova, Tale Jeneralin’ny UNESCO noho ny Andro iraisam-pirenena momba ny Tenim-pirenena Ibeazana/Tenindreny 21 Febroary 206

ANDRO ERANTANY MOMBA NY DIKATENY

FANKALAZANA IZANY ETO MADAGASIKARA
Ny 30 Septambra-01 sy 02 Oktobra 2015

jmt7

Lohahevitra
NY ASA FANDIKANA TENY ETO MADAGASIKARA
SY NY TONTOLON’NY RAKIBOLANA

                                                                 Araho ato ny tohiny…


 Rajaobelison Samuel na « Zakarandahy » : mpikanto ny kalon’ny tontolo.

Iza moa i Zakarandahy?
Rajaobelison Samuel, teraka tao Antanety Avaratra Ambohimanarina ny 25 septambra 1915; fantatra ny janoary 1988 tao amin’ny gazetibokin’ny STK FJKM Atsimon’i Mahamasina fa Mpanoratra Tononkalo sy Tantara an-tononkalo mirindra…

araho ato ny tohiny…

 


 

dr_oliva

NY TENY MALAGASY EO ANIVON’NY FIRAISAMBE AFRIKANINA

Ho fandraisana anjara amin’ny fanandratana ny teny malagasy, ny Akademiam-pirenena malagasy, tamin’ny alàlan’ny Foibe momba ny Teny, efa roapolo taona mahery izay, raha zohina ny tantara, dia nanokana ny volana jona ho volana anadratana ny teny malagasy izay roa andro teo aloha fa noho ny hetahetan’ny be sy ny maro, dia nitarina ho iray volana taty aoriana. Misy ihany koa eo an-kilan’izay ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena momba ny Teny ibeazana dia ny 21 febroary izany. Be ny bainga voavadika : raha zara raha nisy ny boky mirakitra ny voambolan-tsehatra amin’ny teny malagasy ho fanabeazam-boho ny teny malagasy dia efa mba misimisy ihany no efa vita sy voaparitaka eny amin’ny mpanjifa :

araho ato ny tohiny…


 

 


Comments are closed.